Levitika

Toko faha-2

1 Raha misy olona manolotra zavatra amin'ny Tompo hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.

2 Hoentiny amin'ny mpisorona zanak'i Aarona izany, dia angalan'ny mpisorona eran-tànan'ila miaraka amin'ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 3 Izay sisa amin'ny fanatitra dia ho an'i Aarona sy ny zanany; zava-masina dia masina amin'ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 4 Raha zavatra endin-dafaoro no hatolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin'ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin'ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.

5 Ary raha mofo endin-dapoaly no hatolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, tsy misy lalivay.

6 Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany. 7 Raha mofo mamy nandrahoina tamin'ny kasitrola no hatolotrao ho fanatitra dia hatao amin'ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo. 8 Hoentinao ho ao amin'ny Tompo ny fanatitrao, rahefa voavoatra toy izany; ary rahefa voatolotra amin'ny mpisorona izy, dia hentiny ao amin'ny otely. 9 Havahan'ny mpisorona izay tsy maintsy haterina ho fahatsiarovana dia hodorany hanetona eo ambonin'ny otely; sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 10 Izay sisa amin'ny fanatitra dia ho an'i Aarona sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin'ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 11 Ny fanatitra rehetra aterinareo ho an'ny Tompo dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy ho azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo rahefa zavatra misy lalivay na tantely.

12 Fa azonareo atolotra amin'ny Tompo ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin'ny otely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahana. 13 Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran'ny fanekem-pihavanan'ny Andriamanitrao ny fanatritrao: hanolotra sira ao amin'ny fanatitrao rehetra hianao. 14 Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin'ny Tompo, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.

15 Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany. 16 Ny sasany amin'ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran'ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1318