Levitika

Toko faha-23

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an'ny Tompo izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany. 3 Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin'ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona hianareo, fa fitsaharana voatokana ho an'ny Tompo io, any amin'izay tany rehetra honenanareo.

4 Ireto no fetin'ny Tompo, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin'ny fotoany avy:

5 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana amin'ilay àty takariva iny, dia Pakan'ny Tompo.

6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folon'io volana io, dia fetin'ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an'ny Tompo; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. 7 Amin'ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. 8 Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo. Ary amin'ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo hianareo, na inona na inona. 9 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin'ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo hianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin'ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo. 11 Hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson'ny sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy. 12 Amin'ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak'ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona dorana ho an'ny Tompo. 13 Ny fanatitra hampombaina an'io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon'ny efah voadity tamin'ny diloilo, ho fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina. 14 Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin'izany andro izany mandra-pitondranareo ny fanatitra ho an'ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany, any amin'ny tany rehetra honenanareo. 15 Ary miantomboka amin'ny ampitson'ny sabata amin'ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka hianareo.

16 Hanisa andro dimampolo hianareo aloha mandra-pahatongan'ny ampitson'ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin'ny Tompo. 17 Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra ahevaheva, natao tamin'ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon'ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an'ny Tompo izany.

18 Miaraka amin'ireo mofo ireo, ny haterinareo amin'ny Tompo ho sorona dorana dia zanak'ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr'ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin'ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo izany. 19 Dia mamonoa koa osilahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak'ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. 20 Hahevahevan'ny mpisorona ireny miaraka amin'ny mofo santa-bokatra ho fanatitra ahevaheva, eo anatrehan'ny Tompo, mbamin'ny zanak'ondry roa, dia ho voatokana ho an'ny Tompo, ka ho anjaran'ny mpisorona. 21 Amin'io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. Lalàna tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany, any amin'izay tany rehetra honenanareo. 22 Rahefa mijinja ny vokatrareo hianareo any amin'ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin'ny vokatrao ny hotsimponin'ny hafa, fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 23 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

24 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Amin'ny volana fahafito, andro voalohan'ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin'ny feon'ny anjomara, fivoriana masina. 25 Tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo, ary hanolotra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 26 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

27 Ny andro fahafolon'io volana fahafito io no andron'ny Fanonerana: Hanao fivoriana masina hianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo.

28 Tsy hanao asa na inona na inona, amin'izany andro izany hianareo, fa andro fanonerana io, izay tsy maintsy anaovanareo ny fanonerana ho anareo, eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo. 29 Hofongorana amin'ny fireneny ny olona rehetra tsy mampijaly tena amin'izany andro izany; 30 ary holevoniko amin'ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin'izany andro izany. 31 Tsy hanao asa na inona na inona hianareo. Lalàna tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany, any amin'izay tany rehetra honenanareo. 32 Sabata ho anareo izany, fitsaharana amin'ny asa rehetra, ary hampijaly tena hianareo. Ny andro fahasivin'ny volana amin'ny hariva, hatramin'ny harivan'iny ka hatramin'ny ampitso dia hitandrina ny sabatanareo hianareo. 33 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

34 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'io volana fahafito io, no fetin'ny Tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an'ny Tompo. 35 Amin'ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo; 36 mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo. Ary amin'ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. 37 Ireo no fetin'ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin'ny Tompo sorona atao amin'ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin'ny fotoany avy;

38 afa-tsy ny fanomezanareo, afa-tsy ny fanalam-boadinareo rehetra, afa-tsy ny fanatitra an-tsitra-ponareo rehetra izay hatolotrareo an'ny Tompo. 39 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito, rahefa manangona ny vokatry ny tany hianareo dia hankalaza ny fetin'ny Tompo, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe.

40 Amin'ny andro voalohany haka voan'ny hazo tsara tarehy hianareo, sampan-drofia, rantsan'ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana. 41 Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an'ny Tompo, lalàna tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany; amin'ny volana fahafito no hanaovanareo azy. 42 Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran'ny tompon-tany rehetra amin'Israely, 43 mba hahafantaran'ny taranakareo fa trano rantsan-kazo no nampitoerako ny zanak'Israely, fony aho namoaka azy avy any tamin'ny tany Ejipta. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 44 Dia nampahalalain'i Moizy ny zanak'Israely ny fetin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1186