Levitika

Toko faha-26

1 Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasokitra, na tsangam-baton-tsampy, na manorina vato voaravaka sarin-javatra eo amin'ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

2 Tandremo ny sabatako, ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh. 3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo, ka mankatò izany,

4 dia halatsako amin'ny fotoany ny orana ho anareo; hahavokatra ny tany; hamoa ny hazo eny an-tsaha. 5 Ny fivelezam-bary haharitra hatramin'ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafàna; dia hihinana hianareo ka ho voky tsara, ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. 6 Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra hianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin'ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo. 7 Hanenjika ny fahavalonareo hianareo; ary lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. 8 Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo. 9 Hitodika anareo aho, ka hahamaro anaka anareo sy hampitombo anareo ary hanorina ny fanekeko aminareo. 10 Hihinana ny vokatra tranainy hianareo, dia ny tranainy hahitana toerana ho an'ny vao. 11 Hanorina ny fonenako eo afovoanareo aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko. 12 Handeha eo afovoanareo aho, ho Andriamanitrareo aho, ary hianareo ho vahoakako. 13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin'ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran'ny jioganareo aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana. 14 Fa raha tsy mihaino ahy kosa hianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo;

15 raha manamavo ny lalàko hianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko, 16 dia izao no hataoko aminareo: Hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo hianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handrerak'aina anareo; hafafinareo foana ny voa famafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy. 17 Hanandrina anareo ny vatako, ka ho resin'ny fahavalonareo hianareo; izay manakahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina hianareo. 18 Raha tsy mbola mihaino ahy amin'izany ihany hianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo.

19 Horavako ny reharehan'ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo. 20 Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin'ny tany tsy hamoa ny voany. 21 Raha mandroso manohitra ahy ihany hianareo, fa tsy mety mihaino ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo.

22 Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny làlanareo. 23 Rahefa voan'ireo sazy ireo hianareo, ka mbola tsy mety hanariko hianareo fa mandroso manohitra ahy ihany,

24 dia izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo. 25 Hampiditra sabatra hamely anareo aho, ho valin'ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo hianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tànan'ny fahavalo hianareo, 26 rahefa hotapahiko ny mofo tohan'ainareo, ka lafaoro fanendasa-mofo iray no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana hianareo fa tsy ho voky. 27 Rahefa izany ka mbola tsy mihaino ahy hianareo, fa mbola mandroso manohitra ahy,

28 dia handroso hanohitra anareo amin-katezerana mafy koa aho, ka hofaiziko impito mihoatra hianareo, noho ny fahotanareo. 29 Hihinana ny nofon'ny zanakareo lahy hianareo, hihinana ny nofon'ny zanakareo vavy hianareo. 30 Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an'ny masoandro; hampifanongoaviko amin'ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian'ny fanahiko amim-paharikorikoana hianareo. 31 Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahanareo avy amin'ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony. 32 Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy. 33 Hianareo haparitako any amin'ny firenen-kafa, henjehiko amin'ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra. 34 Amin'izany hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rahefa any amin'ny tanim-pahavalonareo hianareo, amin'izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.

35 Hananany mandritra ny fotoana hahafoana azy ny fitsaharana tsy nananany tamin'ny sabatanareo fony hianareo nonina teo aminy. 36 Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin'ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan'ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika. 37 Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo hianareo. 38 Ho lany ringana any amin'ny firenen-kafa hianareo, ary ho lanin'ny tanim-pahavalonareo. 39 Izay sisa velona aminareo dia hihalany ritra noho ny heloky ny tenany any amin'ny tanim-pahavalony; ary ho levona koa noho ny heloky ny razany izay ao aminy. 40 Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra ahy,

41 no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin'izay, rahefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin'ny hadisoany, 42 dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin'i Jakoba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin'Isaaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama, dia hotsarovako ny tany. 43 Ny tany nilaozany ka hanana ny sabatany mandritry ny fotoana hahafoana azy, nialan'izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin'ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny. 44 Na dia amin'izany aza anefa, rahefa mby any amin'ny tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa izaho no Iaveh Andriamaniny. 45 Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin'ny razany, izay navoakako tany amin'ny tany Ejipta, teo imason'ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny aho. Izaho no Iaveh. 46 Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon'ny Tompo ho fifaneken'ny tenany sy ny zanak'Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin'ny alalan'i Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1391