Levitika

Toko faha-3

1 Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'ny Tompo.

2 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak'i Aarona, handraraka ny rà manodidina amin'ny otely. 3 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo amin'io sorom-pihavanana io, dia ny safo-drorohany sy ny saboran-tsinainy, 4 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hendahiny ao akaikin'ny voany. 5 Hodoran'ny zanak'i Aarona izany hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin'ny afo. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 6 Raha biby madinika, lahy na vavy, no ateriny ho sorom-pihavanana amin'ny Tompo, dia izay tsy misy kilema no hateriny.

7 Raha zanak'ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan'ny Tompo.

8 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary ny zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina ao amin'ny otely. 9 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo amin'io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin'ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin'ny tsinainy; 10 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay miraikitra amin'ny faritry ny voany: ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 11 Hodoran'ny mpisorona izany hanetona eo ambonin'ny otely. Faham-pisoronana atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 12 Raha osivavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan'ny Tompo.

13 Hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary ny zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina ao amin'ny otely. 14 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, amin'ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin'ny tsinainy, 15 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 16 Hodoran'ny mpisorona izany hanetona eo ambonin'ny otely. Faham-pisoronana atao amin'ny afo, ho fofona ankasitrahana izany. An'ny Tompo ny sabora rehetra. 17 Lalàna tsy tapaka hatrany amin'ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na rà akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947