Levitika

Toko faha-5

1 Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin'ny mpitsara, amin'ny maha-vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran'ny helony izy.

2 Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin'izany, ka nahazo fahotana; 3 toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan'olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy. 4 Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa aty aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin'ny iray amin'ireo zavatra ireo. 5 Koa izay nahazo fahotana tamin'ny iray amin'ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin'izay nahadiso azy tamin'ireo.

6 Ary hitondra ho an'ny Tompo ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin'ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany. 7 Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondrivavy na osivavy, dia domohina roa na vanto-boromailala roa no hateriny ho an'ny Tompo ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.

8 Hoentiny ireo ho eo amin'ny mpisorona izay hamonony atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin'ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin'ny hatony, ny lohany; 9 hofafazany amin'ny ràn-tsorona noho ny ota ny lafiny amin'ny otely, ary hofiazana eo an-tongotry ny otely ny rà sisa; sorona noho ny ota io. 10 Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ho an'izany olona izany ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany. 11 Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na hampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.

12 Hitondra izany ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tànan'ila amin'izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo; sorona noho ny ota izany. 13 Toy izany no hanaovan'ny mpisorona fanonerana ho an'izany olona izany, noho ny ota nataony amin'ny iray amin'ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an'ny mpisorona, toy ny amin'ny fanatitra. 14 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

15 Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin'ny fanatitra masina fanao amin'ny Tompo, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin'ny andian'ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin'ny Tompo, hatao sorona fanonerana: dia sorona fanonerana izany. 16 Ary izay tokony ho anjaran'ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampaha-diminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin'ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany. 17 Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin'ny zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.

18 Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona hatao sorona fanonerana. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany. 19 Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan'ny Tompo izany olona izany. 20 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

21 Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin'ny Tompo, fa mandainga amin'ny namana izy ny amin'ny zavatra napetraka taminy, na amin'ny zavatra natao eo an-tànany ho antoka, na amin'ny zavatra nangalariny, na amin'ny zavatra nalainy an-keriny tamin'ny namana, 22 na mandainga amin'ny zava-bery hitany, na nanao fianianana tsy marina amin'ny iray amin'ireo zavatra mety hanotan'ny olona ireo: 23 raha nanota tamin'izany izy ka mahazo heloka, dia hamerina ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, ny zavatra napetraka hotehiriziny, ny zava-bery hitany; 24 na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin'izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an'izay tompon-javatra. 25 Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin'ny mpisorona, hateriny ho an'ny Tompo, hatao sorona fanonerana. 26 Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan'ny Tompo, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0525