Levitika
Levitika toko 7
Lalàna momba ny fisoronana.
1Izao no lalàna momba ny sorona fanonerana; zava-masina dia masina izany. 2Ao amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin'ny otely ny rany. 3Hatolotra daholo ny saborany, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, 4ny voany roa mbamin'ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hoendahana ao akaikin'ny voany. 5Hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely izany ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. Sorona fanonerana izany. 6Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no hihinana amin'izany, ka eo amin'ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany. 7Sahala amin'ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin'izy roa: an'izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona. 8Ny mpisorona manolotra ny sorona dorana avy amin'ny olona, dia hanana ny hoditry ny zavatra natao sorona dorana avy aminy. 9Ny fanatitra rehetra nendasina tamin'ny lafaoro, na nandrahoina tamin'ny kasitrola, na tamin'ny lapoaly, dia an'izay mpisorona manolotra azy. 10Ny fanatitra rehetra voadity tamin'ny diloilo, na maina, dia an'ny zanak'i Aarona rehetra, ka hiara-misalahy izy.
11Izao no lalàn'ny sorom-pihavanana haterina ho an'ny Tompo. 12Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin'ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin'ny diloilo, ary lafarina nendasina ho mofo mamy voadity tamin'ny diloilo. 13Ary hampiana mofo mamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin'ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana. 14Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an'ny Tompo, dia ho an'ny mpisorona izay hamafy ny ràn'ny sorom-pihavanana izany. 15Amin'ny andro anaterana azy ihany no ihinanana ny henan'ny sorom-pisaorana amin'ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.
16Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitra-po dia hohanina amin'ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso; 17izay henan-tsorona tavela hatramin'ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo. 18Raha misy olona mihinana amin'ny andro fahatelo ny hena avy amin'ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahana ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra nihinana amin'izany dia hivesatra ny otany. 19Tsy fihinana ny hena mikasi-java-maloto, fa hodorana amin'ny afo. Fa ny henan'ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin'izany izay olona madio rehetra. 20Fa izay ao anatin'ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin'ny hena avy amin'ny sorom-pihavanana, izay an'ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 21Ary izay nikasi-java-maloto, na loton'olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto; raha mihinana amin'ny henan'ny sorom-pihavanana, izay an'ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny izany olona izany.
22Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 23Mitenena amin'ny zanak'i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran'omby, na ondry, na osy, hianareo. 24Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively. 25Fa na zovy na zovy mihinana saboram-biby izay aterina amin'ny Tompo hatao sorona amin'ny afo, dia hofongorana amin'ny fireneny. 26Aza mihinana ràm-borona, na ràm-biby efa-tongotra, na aiza na aiza hitoeranareo. 27Izay mihinan-drà, na ràn'inona na ràn'inona, dia hofongorana amin'ny fireneny.
28Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 29Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Izay hanatitra sorom-pihavanana ho an'ny Tompo dia hitondra amin'ny Tompo fanatitra navahana amin'io sorom-pihavanana io. 30Hitondra ao an-tànany izay tsy maintsy haterina atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo, izy, dia hitondra ny sabora mbamin'ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan'ny Tompo; 31ny sabora hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely; ary ny tratrany dia ho an'i Aarona mbamin'ny zanany. 32Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin'ny sorom-pihavananareo. 33Ny feny ankavanana dia ho anjaran'izay iray amin'ireo zanak'i Aarona hanolotra ny rà aman-tsaboran'ny sorom-pihavanana. 34Fa efa natokako avy amin'ny sorom-pihavanan'ny zanak'Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotro ho an'i Aarona sy ny zanany ho anjara asain-kaloan'ny zanak'Israely ho azy hatrany hatrany. 35Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana, 36Izany no nasain'ny Tompo homen'ny zanak'Israely azy ireo, hatramin'ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy haloa tsy tapaka hatrany amin'ny taranany.
37Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana, 38izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin'ny andro nandidiany ny zanak'Israely hanatitra ny fanatiny amin'ny Tompo tany an'efitra Sinaia. >