Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 1, 39-56
<39Niainga Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, 40ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, 42ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. 43Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? 44Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko. 45Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy! 46Ary hoy Maria:
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
51Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony; 52naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra tànam-polo.
54Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony 55tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika.
56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Elizabeta Maria vao nody tany an-tranony. >