Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 10, 21-24.

       <21Tamin'izay nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina izy ka nanao hoe: Misaotra anao aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, noho hianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao. 22Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy. 23Dia nitodika tamin'ny mpianany izy ka nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; 24fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre. >