Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 10, 25-28

       <25Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? 26Dia hoy Jesoa taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao. 28Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao. >