Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 10, 25-37

       <25Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? 26Dia hoy Jesoa taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao. 28Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao. 29Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Iza àry no namako? 30Ary hoy Jesoa taminy:
Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon'ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. 31Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin'izany làlana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. 32Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. 33Fa nisy kosa Samaritana anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. 34Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. 35Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho. 36Iza amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? 37Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: Ilay niantra azy. Mandehana àry, hoy Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa. >