Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 12, 13-21,

       <13Tamin'izay dia nisy anankiray tao amin'ny vahoaka nanao taminy hoe: ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko. 14Fa hoy Jesoa taminy: Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? 15Ary hoy izy tamin'ny olona: Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana hianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany. 16Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo izy ka nanao hoe: Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, 17ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? 18Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, 19ary holazaiko amin'ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin'ny taona maro hianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. 20Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza àry izay novorinao? 21Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an'ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin'Andriamanitra. >