Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 12, 32-48,
<32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan'ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon'ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; 34fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa.
35Aoka ho voahetra ny valahanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. 36Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. 37Sambatra ireo mpanompo tratran'ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. 38Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. 40Koa mivonòna koa hianareo, fa ho avy amin'izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak'olona.
41Dia hoy Piera taminy: Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an'ny olona rehetra koa? 42Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? 43Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. 44Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. 45Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: Ela vao ho avy ny tompoko, ka amin'izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, 46dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin'ny mpanompo ratsy. 47Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon'ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; 48fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa. >