Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany ihany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjo an'ireo Galileana, fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany.

2 Ary novaliany hoe: Moa ataonareo fa ireny Galileana ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileana rehetra matoa nozoin-doza toy izany? 3 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 4 Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Siloe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? 5 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 6 Dia nanao ity fanoharana ity koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin'ny tanim-boalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.

7 Dia hoy izy tamin'ny mpiasa ny tanim-boalobony: Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin'ity aviavy ity aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo? 8 Ary hoy ny mpiasa namaly azy: Aoka re ho eo ihany izy amin'ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; 9 angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy. 10 Ary nampianatra tao amin'ny sinagoga anankiray Jesoa indray sabata.

11 Ka nisy vehivavy anankiray teo azon'ny demony hatramin'ny valo ambin'ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. 12 Nony nahita azy Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka ny aretinao. 13 Dia nametrahany tànana izy, ka nitraka niaraka tamin'izay, sy nankalaza an'Andriamanitra. 14 Fa sosotra ny lehiben'ny sinagoga noho Jesoa nanasitrana tamin'ny andro sabata, ka niloa-bava tamin'ny vahoaka nanao hoe: Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin'ireo hianareo, fa aza amin'ny andro sabata. 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin'ny tranony avy hianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia sabata aza ny andro? 16 Ary ity zanakavavin'i Abrahama izay efa nafatotr'i Satana hatramin'ny valo ambin'ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin'izany fatorana izany amin'ny andro sabata? 17 Tamin'izy niteny izany, izay rehetra nanohitra azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony. 18 Dia hoy koa Jesoa: Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?

19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voro-manidina ny rantsany. 20 Dia hoy indray izy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? 21 Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarina rehetra. 22 Dia nitety ny tanàna sy ny vohitra izy ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.

23 Ary nisy olona anankiray nanontany azy hoe: Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy? Ka hoy izy tamin'ny olona: 24 Mikeleza aina hiditra amin'ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. 25 Satria rahefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano hianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay nihavianareo. 26 Ary amin'izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin'ny kianjanay hianao. 27 Fa hovaliany hoe: Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay nihavianareo; mialà amiko hianareo rehetra mpanao ratsy. 28 Ary amin'izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mbamin'ny mpaminany rehetra, fa hianareo kosa ho voaroaka any ivelany. 29 Hisy olona avy any atsinanana sy andrefana, ary avy any avaratra sy atsimo, hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 30 Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany izay ho farany. 31 Tamin'izay andro izay ihany dia nisy Farisiana sasany nanatona azy, ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eo hianao, fa tadiavin'i Heroda hovonoina.

32 Dia hoy izy tamin'ireo: Mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary aho anio sy rahampitso, fa amin'ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. 33 Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan'i Jerosalema. 34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety hianareo! 35 Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony hianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068