Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 13, 18-21

       <18Dia hoy koa Jesoa: Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? 19Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voro-manidina ny rantsany. 20Dia hoy indray izy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? 21Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarina rehetra. >