Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 13, 22-30
<22Dia nitety ny tanàna sy ny vohitra izy ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. 23Ary nisy olona anankiray nanontany azy hoe: Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy? Ka hoy izy tamin'ny olona: 24Mikeleza aina hiditra amin'ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. 25Satria rahefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano hianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay nihavianareo. 26Ary amin'izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin'ny kianjanay hianao. 27Fa hovaliany hoe: Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay nihavianareo; mialà amiko hianareo rehetra mpanao ratsy. 28Ary amin'izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mbamin'ny mpaminany rehetra, fa hianareo kosa ho voaroaka any ivelany. 29Hisy olona avy any atsinanana sy andrefana, ary avy any avaratra sy atsimo, hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 30Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany izay ho farany. >