Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 13, 31-35,

       <31Tamin'izay andro izay ihany dia nisy Farisiana sasany nanatona azy, ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eo hianao, fa tadiavin'i Heroda hovonoina. 32Dia hoy izy tamin'ireo: Mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary aho anio sy rahampitso, fa amin'ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. 33Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan'i Jerosalema. 34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety hianareo! 35Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony hianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. >