Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-14

1 Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisiana anankiray Jesoa, dia nitsikilo azy izy ireo.

2 Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. 3 Dia niteny Jesoa ka nanao tamin'ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisiana hoe: Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata? 4 Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin'i Jesoa tamin'ny tànany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, 5 izay izy vao nilaza tamin'ireo hoe: Raha latsaka amin'ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro? 6 Fa tsy nanan-kavaly an'izany izy ireo. 7 Rahefa izany nony hitan'i Jesoa ny hamaimaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo izy:

8 Raha asaina amin'ny fampakaram-bady hianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho hianao, 9 ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: Omeo an'ity ny fitoeranao, ary amin'izay ho menatra hianao hifindra arý amin'ny fitoerana farany. 10 Fa raha asaina hianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao hianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. 12 Ary hoy kosa izy tamin'ilay nanasa azy: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.

13 Fa raha manao fanasana hianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: 14 dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina vao hovaliana hianao. 15 Nony nandre izany ny anankiray tamin'izay niara-nihinana teo, dia nanao tamin'i Jesoa hoe: Sambatra lahy izay hanana anjara amin'ny fihinanam-be any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

16 Fa hoy izy taminy: Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. 17 Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: Ndeha hianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra. 18 Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re mba tsy ho tsiniko. 19 Hoy kosa ny faharoa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re mba tsy ho tsiniko. 20 Ary hoy koa ny anankiray: Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany. 21 Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin'ny tompony. Tezitra tamin'izay ny tompony ka nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Mandehana faingana mankany amin'ny kianja sy ny làlam-ben'ny tanàna, ka ento mankaty ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. 22 Ary hoy ilay ankizilahy: Tompoko, vita ny nasainao atao, nefa mbola misy fitoerana ihany. 23 Dia hoy ny tompo tamin'ilay ankizilahy: Mandehana mankeny amin'ny làlam-be sy ny fefim-boly, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. 24 Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko amin'ireo olona nasaina ireo na dia iray aza. 25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesoa, ka nitodika izy nanao tamin'ireo hoe:

26 Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin'ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. 27 Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho mpianatro. 28 Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay holaniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,

29 sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain'izay rehetra mahita hoe: 30 Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona. 31 Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin'ny miaramila iray alina ny hikatroka amin'ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? 32 Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. 33 Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro. 34 Tsara ny fanasina; nefa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanasina azy?

35 Tsy hahasoa tany, tsy hahasoa zezika izy, ka dia hariana any alatrano. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369