Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 15, 1-32,
Ny ondry very sy ny dragma very - Ilay zanaka mpandany.

       1Ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota, 2ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy. 3Dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo Jesoa hoe: 4Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, 6ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very. 7Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.
       8Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? 9Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very. 10Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.
       11Hoy koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, 12ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy roa lahy ny fananany. 13Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin'ny fitondran-tena ratsy. 14Rahefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin'izany tany izany ka nahantra izy. 15Dia lasa ny anao nikarama tamin'ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. 16naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin'ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy.
       17Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: Firifiry akory moa ny mpikaraman'i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana atý! 18Hitsangana aho ho any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho, 19ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin'ny mpikaramanao re aho. 20Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony. 22Fa hoy rainy tamin'ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tànany, kiraroy ny tongony, 23ary ento ny zanak'omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, 24fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra.
       25Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin'izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin'ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, 26ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton'izany. 27Dia hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak'omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy. 28Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. 29Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak'osy iray akory hifaliako amin'ny sakaizako; 30fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak'omby matavy izy. 31Fa hoy rainy taminy: Hianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; 32fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. >