Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-16

1 Ary hoy koa Jesoa tamin'ny mpianany: Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain'ny olona taminy fa nandany ny fananany.

2 Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: Ahoana izany fandrenesako izany anao? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin'ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony hianao. 3 Tamin'izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: Inona re no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. 4 Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin'ny raharahako aho. 5 Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony, ka hoy izy tamin'ny voalohany: Ananan'ny tompoko hoatrinona hianao? 6 Diloilo injaton'ny barika, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimam-polo. 7 Dia hoy indray izy tamin'ny anankiray: Hoatrinona kosa ny trosa aminao? Vary injaton'ny famarana, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo. 8 Noderain'ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. 9 Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.

10 Izay mahatoky amin'ny kely, dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena hianareo. 14 Ny Farisiana izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso azy.

15 Fa hoy izy tamin'izy ireo: Hianareo dia mpanamarin-tena eo imason'ny olona, nefa fantatr'Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason'ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra kosa. 16 Ny Lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin'i Joany, fa hatramin'i Joany kosa dia ny fanjakan'Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona. 17 Moramora kokoa ny hahalevonan'ny tany aman-danitra noho ny tsy hahatanterahan'ny Lalàna na dia ny tendri-tsoratra iray aza. 18 Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa. 19 Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan'andro.

20 Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. 21 Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin'ny latabatr'ilay mpanan-karena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. 22 Ary maty ilay mahantra ka nentin'ny anjely tany an-tratran'i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina. 23 Tao amin'ny fitoeran'ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra eny Abrahama sy Lazara teo an-tratrany, 24 ka niantso izy nanao hoe: Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin'ity lelafo ity. 25 Fa hoy Abrahama taminy: Anaka, tsarovy fa tamin'ny andro niainanao hianao moa nahita soa, ary Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. 26 Sady amin'ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka mampita atý. 27 Dia hoy izy: Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely Lazara ho any an-tranon-draiko 28 (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy marina, fandrao tonga amin'itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an'ireo izy. 30 Fa hoy izy: Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin'ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0674