Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 16, 1-13
Ilay mpitandrina tsy marina - Ilay mpanan-karena sy Lazara.
1Ary hoy koa Jesoa tamin'ny mpianany: Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain'ny olona taminy fa nandany ny fananany. 2Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: Ahoana izany fandrenesako izany anao? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin'ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony hianao. 3Tamin'izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: Inona re no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. 4Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin'ny raharahako aho. 5Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony, ka hoy izy tamin'ny voalohany: Ananan'ny tompoko hoatrinona hianao? 6Diloilo injaton'ny barika, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimam-polo. 7Dia hoy indray izy tamin'ny anankiray: Hoatrinona kosa ny trosa aminao? Vary injaton'ny famarana, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo. 8Noderain'ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana.
9Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. 10Izay mahatoky amin'ny kely, dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. 11Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? 12Ary raha tsy mahatoky amin'izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena hianareo. >