Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 18, 9-14

       <9Dia nanao ity fanoharana ity koa izy, mankamin'ny sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: 10Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly: Farisiana ny iray ary poblikàna ny anankiray. 11Nitsangana ilay Farisiana ka nivavaka tao am-pony hoe: Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikàna itsy akory aza; 12mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny am-pahafolon'ny fananako rehetra. 13Fa ilay poblikàna kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho. 14Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. >