Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-19

1 Nony niditra tao Jerikao Jesoa, dia namaky ny tanàna.

2 Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake, lehiben'ny poblikàna sady mpanan-karena, 3 nitady hahita an'i Jesoa mba hahalala azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona satria fohy izy. 4 Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany. 5 Nony mby teo Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. 6 Dia nidina haingana izy ka nandray azy tamin-kafaliana. 7 Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota izy.

8 Fa Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy. 9 Dia hoy Jesoa taminy: Tonga amin'ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa ity lehilahy ity, 10 fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. 11 Raha mbola nihaino izany ny olona dia nanao ity fanoharana ity koa Jesoa, fa efa akaikin'i Jerosalema izy, ary nataon'ny olona fa ny fanjakan'Andriamanitra hiseho miaraka amin'izay,

12 ka hoy izy: Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. 13 Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: Ampitomboy ireny mandra-piveriko. 14 Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanin-drazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny. 15 Nony nahazo fanjakana izy ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. 16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.

17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hanapaka tanàna folo hianao. 18 Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray. 19 Ary hoy izy taminy: Hanapaka tanàna dimy koa hianao. 20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; 21 satria natahotra anao aho, noho hianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao, sy mijinja izay tsy nafafinao. 22 Dia hoy ilay mpanjaka taminy: Azoko amin'ny vavanao hianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; 23 koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho? 24 Dia izao no nataony tamin'izay teo: Alao ny minany eny aminy ka omeo ilay manana folo. 25 Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana mina folo izy. 26 Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin'izay ananany aza. 27 Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako. 28 Rahefa niteny izany Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema,

29 ka nony mby akaikin'i Betfage sy Betania anilan'ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka ny mpianany roa lahy, 30 nanao hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra aloha itsy, fa rahefa miditra ao hianareo dia hahita zanak'ampondra mifatotra tsy mbola nitaingenan'olona, ka vahao izy, dia ento atý. 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana io no vahanareo? valio hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy. 32 Dia lasa ireo iraka ka nahita ny zavatra araka ny voalazan'i Jesoa taminy. 33 Teo am-pamahana ny zanak'ampondra dia hoy ny tompony tamin'izy ireo: Nahoana no vahanareo ity zanak'ampondra? 34 Ka novaliany hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy. 35 Dia nentiny tany amin'i Jesoa ny zanak'ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia natainginy teo Jesoa. 36 Nony nandroso izy, dia novelaran'ny olona ny fitafiany ny làlana. 37 Ary rahefa mby akaikin'ny fidinana amin'ny tendrombohitra Oliva izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany. 38 Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin'ny anaran'ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin'ny avo indrindra! 39 Ary ny Farisiana sasany izay teo amin'ny vahoaka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, rarao re ny mpianatrao! 40 Fa novaliany hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso ny vato. 41 Ary nony mby akaiky izy ka nahita an'i Jerosalema dia nitomany azy nanao hoe:

42 Raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. 43 Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany hianao sy hotereny hatraiza hatraiza, 44 ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao hianao. 45 Nony niditra tao an-tempoly izy, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,

46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa hianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra. 47 Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty azy; 48 nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino azy ny vahoaka rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08