Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-24

1 Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo nitondra ny zava-manitra efa namboariny,

2 ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato, 3 ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin'i Jesoa Tompo. 4 Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra. 5 Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan'iretsy hoe: Nahoana no atý amin'ny maty no itadiavanareo izay velona? 6 Tsy eto izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony izy mbola tany Galilea, hoe: 7 Tsy maintsy hatolotra ao an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona sy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana, ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8 Izay vao tsaroany ny tenin'i Jesoa, 9 ka tafaverina avy tany amin'ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra: 10 dia Maria Madelena sy Joana ary Maria renin'i Jakoba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Fa nataony ho arirarira foana ny tenin'izy ireo ka tsy ninoany. 12 Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin'ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hany hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao. 13 Androtr'izay ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin'ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stady raha avy eo Jerosalema.

14 Niresaka izany zava-niseho rehetra izany izy ireo. 15 Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy Jesoa ka niara-dàlana taminy: 16 fa voasakana tsy hahafantatra azy ny mason'izy ireo. 17 Inona izato resahinareo etý an-dàlana, hoy izy taminy, no toa dia efa malahelo erý hianareo izany? 18 Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleofasy ka nanao taminy hoe: Hianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato? 19 Fa hoy izy tamin'ireo: Zavatra inona moa izany? Dia hoy ireo: Ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin'ny asany sy ny teniny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, 20 dia ny amin'ny nanoloran'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny lehibentsika azy ho faty, mbamin'ny namantsihana azy tamin'ny hazo fijaliana. 21 Nanantena izahay fa hoe izy no ilay hanavotra an'Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin'ny nisehoan'izany. 22 Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin'ny fasana marainakoa izy ireo, 23 ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita anjely niseho taminy, nanambara fa velona izy. 24 Dia nankany amin'ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain'ny vehivavy, nefa tsy nahita azy. 25 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Ry adala, sy votsa saina amin'ny finoana izay rehetra voalazan'ny mpaminany!

26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va ny Kristy mba hidirany amin'ny voninahiny? 27 Dia novoasany tamin'izy ireo ny tenin'i Moizy sy ny mpaminany rehetra manambara azy ao amin'ny Soratra Masina. 28 Nony mby tao akaikin'ny vohitra halehan'izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany Jesoa, 29 fa notanan'izy ireo nataony hoe: Mitoera re atý aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro. Dia niditra niara-nijanona tamin'izy ireo izy. 30 Ary rahefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo. 31 Izay vao nisokatra ny mason'izy ireo ka nahalala azy, fa izy kosa tonga tsy hitany intsony. 32 Dia nifampilaza izy hoe: Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony izy niresaka tamintsika teny an-dàlana sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika! 33 Niaraka tamin'izay, dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany tafavory 34 sady nilaza hoe: Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin'i Simona izy. 35 Dia mba notantarain'izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny nahafantarany azy tamin'ny famakiana ny mofo. 36 Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany Jesoa ka nanao taminy hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa izaho ihany.

37 Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. 38 Ka hoy izy taminy: Nahoana no mitebiteby hianareo, ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo? 39 Zahao ny tànako sy ny tongotro, fa izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo ahy izao. 40 Ary rahefa nilaza izany izy, dia nasehony azy ny tànany, sy ny tongony. 41 Ary ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy Jesoa taminy: Moa manan-kanina eto va hianareo? 42 Dia notoloran'izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely izy, 43 ka noraisiny dia nohaniny teo imason'izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. 44 Dia hoy izy tamin'izy ireo: Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba ahy ao amin'ny Lalàn'i Moizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.

45 Dia nosokafany ny sain'izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, 46 ka hoy izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly ny Kristy sy hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo, 47 ary tsy maintsy torìna amin'ny firenen-drehetra, miantomboka amin'i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny anarany. 48 Hianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary izaho kosa haniraka aminareo ilay nampanantenain'ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna hianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony. 50 Dia nentiny hivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tànany izy ka nitso-drano azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749