Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 4, 1-13,
Ny nakan'ny demony fanahy an'i Jesoa - Jesoa tsy voahaja tao Nazareta - Demony voaroaka sy marary maro sitrana.
1Ary feno ny Fanahy Masina Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin'ny Fanahy tany an'efitra efa-polo andro, 2sady nalain'ny demony fanahy izy no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. 3Dia hoy ny demony taminy: Raha Zanak'ndriamanitra hianao, asaovy tonga mofo io vato io. 4Fa hoy Jesoa taminy: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra avy amin'Andriamanitra. 5Dia nentin'ny demony niakatra tany amin'ny tendrombohitra avo anankiray izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, 6ary hoy izy taminy: Homeko anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. 7Koa izao àry: raha mitsaoka ahy hianao, dia ho anao avokoa izy. 8Fa izao no navalin' i Jesoa azy: Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. 9Dia nentiny tany Jerosalema indray izy, ka napetrany teo an-tampon'ny tempoly, ary nilazany hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any; 10fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina anao ny anjeliny, 11ary hitondra anao eo an-tànany izy ireo fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 12Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao. 13Nony tapitra nanao izao fakam-panahy azy rehetra izao ny demony, dia nandao azy aloha mandra-pihavin'ny fotoana indray. >