Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

12 Ary tamin'izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina.

13 Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany izy ka nifidy roa ambin'ny folo lahy tamin'izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apostoly: 14 dia Simona izay nataony hoe Piera, sy Andre rahalahiny, Jakoba sy Joany, Filipo sy Bartelemy, 15 Matio sy Tomà, Jakoba zanak'i Alfe, sy Simona izay atao hoe Zeloty, 16 ary Jodà rahalahin'i Jakoba, sy Jodasy Iskariota ilay namadika. 17 Dia niara-nidina tamin'izy ireo izy ka nankeo amin'ny tany lemaka izay nijanonan'ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin'i Tira sy Sidòna amoron-tsiraka,

18 izay tonga teo mba hihaino azy, sy mba hositraniny amin'ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalin'ny fanahy maloto, 19 ary nitady hanendry azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7655