Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-6
20 Tamin'izay, dia niatrana nijery an'ireo mpianany izy, ka nanao hoe: Sambatra hianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan'ny lanitra.21 Sambatra hianareo noana ankehitriny, fa ho voky hianareo. Sambatra hianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly hianareo. 22 Ho sambatra hianareo raha hankahalain'ny olona, horoahiny amin'ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. 23 Mifalia hianareo amin'izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany. 24 Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo hianareo.
25 Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana hianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo hianareo. 26 Loza ho anareo raha hataon'ny olona tsara laza hianareo, fa tahaka izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.