Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

6 Indray sabata hafa koa dia niditra tao amin'ny sinagoga izy ka nampianatra, ary nisy lehilay anankiray maty tànana an-kavanana teo.

7 Tamin'izay dia nitsikilo azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana na hanasitrana amin'ny andro sabata izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana azy. 8 Fa fantatr'i Jesoa kosa ny hevitr'izy ireo, ka hoy izy tamin'ilay maty tànana: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana ilay io ka nijoro, 9 ary hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manontany anareo aho, inona no mety hatao amin'ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina? 10 Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tànany. 11 Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047