Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

1 Rahefa tapitra nampandre ny vahoaka izany toriteniny rehetra izany Jesoa, dia niditra tao Kafarnaoma.

2 Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. 3 Nony nahare ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jody ho any aminy mba hangataka azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. 4 Ary rahefa tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Mendrika hanaovanao izany izy, 5 fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza. 6 Dia niara-nandeha tamin'izy ireo Jesoa. Fa nony mby teo akaikin'ny trano izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin'ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko akory aho; 7 ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko 8 Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: Mandehana, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: Avia, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: Ataovy izany, dia manao izy. 9 Gaga Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka azy nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho, na dia tamin'Israely aza. 10 Ary nony tafaverina tao an-tranon'ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary. 11 Taorian'izany, dia nankany amin'ny tanàna anankiray atao hoe Naima izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.

12 Rahefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna izy, dia indro nisy fatin'ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak'olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. 13 Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. 14 Ary nanatona izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy Jesoa: Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. 15 Dia niarina niaraka tamin'izay ny maty, sady niteny, ary nomen'i Jesoa an-dreniny. 16 Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. 17 Dia niely eran'i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana azy izany. 18 Nambaran'ny mpianatr'i Joany taminy izany rehetra izany,

19 ka dia niantso roa lahy tamin'izy ireo izy nalefany ho any amin'i Jesoa hanao aminy hoe: Hianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika? 20 Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: Nirahin'i Joany Batista hankaty aminao izahay hanontany raha hianao no ilay ho avy, na mbola hafa no handrasantsika? 21 Tamin'izay indrindra Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, 22 ka izao no navaliny an'ireto iraka: Mandehana lazao amin'i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torìna amin'ny mahantra ny Evanjely, 23 ary sambatra izay rehetra tsy tafintohina noho ny amiko. 24 Nony lasa ny irak'i Joany, dia nambaran'i Jesoa tamin'ny vahoaka ny aminy ka hoy izy: Hizaha inona no nalehanareo tany an'efitra? Volotara hozongozonin'ny rivotra va?

25 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon'ny mpanjaka no itoerany. 26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. 27 Fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra làlana eo alohanao. 28 Koa lazaiko aminareo fa amin'izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho Joany Batista; nefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra no lehibe noho izy. 29 Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin'ny poblikàna aza dia nanamarina an'Andriamanitra, tamin'ny nandraisany ny batemin'i Joany; 30 fa ny Farisiana sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan'Andriamanitra ny aminy, tamin'ny nandavany ny batemin'i Joany. 31 Ary hoy ny Tompo: Hohariko amin'iza re ny olona amin'ity taranaka ity, ary tahaka an'iza izy?

32 Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy hianareo; nanao hira izahay mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany hianareo. 33 Fa tonga Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: Azon'ny demony izy. 34 Tonga indray ny Zanak'olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikàna sy ny olon-dratsy fiaina. 35 Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra. 36 Nisy Farisiana anankiray nanasa an'i Jesoa hiara-hihinana aminy, ka niditra tao an-tranon'ilay Farisiana izy, dia nipetraka nihinana.

37 Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon'ilay Farisiana Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, 38 dia nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony sady nitomany ka kotsan'ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin'ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. 39 Nony nahita izany ilay Farisiana nanasa azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany izy dia ho nahalala ny toetran'ity vehivavy mikasika azy, fa hoe mpanota io. 40 Ary Jesoa niteny taminy nanao hoe: Ry Simona, misy zavatra holazaiko aminao. Dia hoy izy: Lazao, ry Mpampianatra. 41 Nisy olona roa lahy nananan'ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie diman-jato, ary ny iray dimam-polo.

42 Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin'izy roa lahy. Koa iza amin'ireo no ho tia azy kokoa? 43 Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa, hoy Simona namaly azy. Marina ny anao, hoy izy taminy. 44 Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao aho, fa hianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany. 45 Hianao tsy nanoroka ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. 46 Hianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. 47 Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana. 48 Dia hoy izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. 49 Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: Iza moa ity no mamela heloka? 50 Fa hoy izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086