Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 7, 1-10,
Ny ankizilahin'ilay kapiteny - Ny zanakalahin'ilay mpitondratena tany Naima - Ny mpianatr'i Joany tany amin'i Jesoa - Ilay vehivavy mpanota tao an-tranon'i Simona Farisiana.

       1Rahefa tapitra nampandre ny vahoaka izany toriteniny rehetra izany Jesoa, dia niditra tao Kafarnaoma. 2Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. 3Nony nahare ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jody ho any aminy mba hangataka azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. 4Ary rahefa tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Mendrika hanaovanao izany izy, 5fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza. 6Dia niara-nandeha tamin'izy ireo Jesoa. Fa nony mby teo akaikin'ny trano izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin'ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko akory aho; 7ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko 8Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: Mandehana, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: Avia, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: Ataovy izany, dia manao izy. 9Gaga Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka azy nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho, na dia tamin'Israely aza. 10Ary nony tafaverina tao an-tranon'ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary. >