Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 7, 11-17,

       <11Taorian'izany, dia nankany amin'ny tanàna anankiray atao hoe Naima izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. 12Rahefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna izy, dia indro nisy fatin'ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak'olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. 13Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. 14Ary nanatona izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy Jesoa: Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. 15Dia niarina niaraka tamin'izay ny maty, sady niteny, ary nomen'i Jesoa an-dreniny. 16Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. 17Dia niely eran'i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana azy izany. >