Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 7, 31-35,
<31Ary hoy ny Tompo: Hohariko amin'iza re ny olona amin'ity taranaka ity, ary tahaka an'iza izy? 32Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy hianareo; nanao hira izahay mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany hianareo. 33Fa tonga Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: Azon'ny demony izy. 34Tonga indray ny Zanak'olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikàna sy ny olon-dratsy fiaina. 35Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra. >