Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 8, 4-15.
<4Ary nisy vahoaka betsaka tafavory tao avy tamin'ny tanàna maro hanatona azy, dia nanao fanoharana izy hoe:
5Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dàlana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina;
6ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando;
7ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany;
8ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny. Rahefa nilaza izany izy dia niantso hoe: Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.
9Nanontanian'ny mpianany azy izay hevitr'izany fanoharana izany, 10ka izao no navaliny azy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. 11Ka izao àry no hevitr'izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12Ireo teny an-dàlambe no izay nandre, fa avy ny demony ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. 13Ireo latsaka tamin'ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin'ny finoana, fa miala nony mby amin'ny andron'ny fakam-panahy. 14Ireo latsaka tamin'ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. 15Fa ireo latsaka amin'ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin'ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana. >