Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 8, 16-18,

       <16Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan'izay miditra ny mazava. 17Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. 18Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay heveriny ho ananany aza. >