Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 9, 43b-45.
<43fa norahonan'i Jesoa ny fanahy maloto, dia nositraniny ilay zazalahy ka nomeny an-drainy. 44Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben'Andriamanitra.
Ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny izy rehetra, dia hoy izy tamin'ny mpianany: Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra ao am-pelatanan'ny olona ny Zanak'olona. 45Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany azy ny amin'izany izy. >