Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 9, 18-22.

       <18Indray andro, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ataon'ny vahoaka ho iza moa aho? 19Ary namaly ireo ka nanao hoe: Ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany milaza hoe Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny mpaminany taloha no nitsangana tamin'ny maty. 20Fa hianareo kosa, hoy izy, mba manao ahy ho iza? Dia namaly Piera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. 21Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin'olona, 22sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo. >