Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-2
15 Dia tonga tao Modìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manamboninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika.16 Israelita maro be no nomba azy ireo; ary Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. 17 Niteny tamin'i Matatiasa ireo irak'i Antiokosa, ka hoy izy taminy: Hianao eto an-tanàna no lohany indrindra, voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. 18 Koa hianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka toraky ny efa nataon'ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin'i Jodà, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka avokoa hianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro hianao mbamin'ireo zanakao. 19 Ary Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: Na dia hanaiky an'i Antiokosa avokoa aza ny firenena rehetra anatin'ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan'ny razany, sy hanaraka an-tsitra-po ny didiny, 20 izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken'ny razanay. 21 Sanatria anay ny hanary ny lalàn'Andriamanitra amam-pitsipiny! 22 Tsy hanaiky ny didin'ny mpanjaka izahay, ka hiala amin'ny fombam-pivavahana, na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 23 Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason'ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin'ny mpanjaka, teo amin'ny otely natsangana tao Modìna. 24 Nony nahita izany Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin'ny otely izy. 25 Novonoiny niaraka tamin'izay koa ilay manam-boninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny otely. 26 Toy izany no nirehetan'ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon'i Finea izay namono an'i Zambrì, zanak'i Saloma. 27 Dia nandeha eran'ny tanàna Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe: Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.
28 Izay izy mbamin'ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna. 29 Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin'izay ho any an'efitra,