Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-6

18 Eleazara iray amin'ireo mpampiana-dalàna ambony, izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik'andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kenan-kisoa.

19 Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitra-po ho any amin'ny fampijaliana izy; 20 toy ny tsy maintsy androsoan'izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina. 21 Nifankahazo tamin'i Eleazara hatry ny ela kosa, ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin'ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian'ny mpanjaka, 22 satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin'ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin'ny famindram-po ataon'izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be. 23 Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena araka izay nety ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin'ny fahanterany, ampian'ny volony fotsy be voninahitra sy ny toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin'ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin'Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy faingana any amin'ny fonenan'ny maty, no navaliny. 24 Tsy mety tokoa, hoy izy, raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra; fandrao dia heverin'ny zatovo maro fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa Eleazara nony efa sivifolo taona. 25 Amin'izany izy ireo, noho ny fanafenako hevitra, sy noho ny sisam-piainan-mandalo, dia ho diso làlana; ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako. 26 Ary na ho afaka amin'ny sazin'olombelona fe ankehitriny aza aho; tsy ho afa-mandositra ny tànan'ilay mahefa ny zavatra rehetra, na velona aho na maty. 27 Noho izany, raha amin-kerim-po no handaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay, 28 ary ohatra ambony no havelako harahin'ny tanora amin'ny fahafatesana an-tsitra-po sy amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina. Vao avy niteny izany izy, dia nizotra nankao amin'ny fiasana famonoana. 29 Noheverin'izay nitondra azy hankeny ho hadalana ny teny vao notononiny, ka novany ho halozàna ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo. 30 Nony efa ho fatin'ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe: Ny Tompo manana ny fahalalàna masina no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho, dia miaritra fampijalijaliana mafy amin'ny nofoko, asiana ny langilangy, fa amin'ny fanahiko kosa, mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy. 31 Toy izany no namoizany ny aina ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po sy tsangam-baton'ny hatsaram-panahy, tsy ho an'ny tanora ihany, fa ho an'ny vahoaka rehetra koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.054