Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-7

1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa, noraran'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby.

20 Mahagaga mihoatra izay azo lazaina, sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin'ny indray andro monja; nefa notohanan'ny fanantenana ao amin'ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.

21 Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin'ny fitenin-drazany ary feno hevitra mendrika indrindra izy, ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohananay herim-pon-dehilahy. 22 Dia hoy izy tamin'izy ireo: Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan'ny vatanareo. 23 Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin'ny nahaterahany, sy manapaka ny fihavian'ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny. 24 Nataon'i Antiokosa fa tsiratsiraina izy, ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo. Raha mbola velona ihany ilay faralahy, dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamin-pianianana, fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn'ny razany, dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony.

25 Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo; ka ny reniny no nantsoin'ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an'ity zatovo. 26 Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany. 27 Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an'itsy mpanjaka masiaka, ka dia niteny tamin'ny fitenin-drazany hoe: Mamindrà fo amiko, anaka, izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko, nampinono anao telo taona, nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin'izao taonanao izao. 28 Ka mihanta aminao aho jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin'ny tsinontsinona, ary toy izany no nahazoan'ny taranak'olombelona fisiana. 29 Aza matahotra ity mpamono, mbà mendrika an'ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin'ny rahalahinao, raha mby amin'ny andron'ny famindram-po. 30 Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin'ny mpanjaka, ny didin'ny lalàna nomen'i Moizy ny razanay no ekeko.

31 Ary hianao izay fototr'izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao, dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1821