Bokin'i Malakia

Toko voalohany

1 Teny fitsarana. Tenin'ny Tompo ho an'Israely, amin'ny alàlan'i Malakia.

2 Efa tia anareo aho, hoy Iaveh; ary hoy hianareo: Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? - teny marin'ny Tompo; nefa Jakoba no tiako; fa Esao hàlako;

3 ka ny tendrombohiny natoako lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an'efitra. 4 Raha lazain'i Edoma hataony hoe: Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray, - dia izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Izy ireo hanorina; izaho kosa handrava; ka izao no ho filazan'ny olona azy: Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran'ny Tompo mandrakizay. 5 Hahita maso izany hianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie Iaveh eo amin'ny tanin'Israely! 6 Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha ray aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo aho, aiza izay tahotra ahy? hoy Iavehn'ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. Hoy hianareo:

7 Tamin'ny inona no nanamavoanay ny anaranao? - Amin'ny fitondranareo mofo voaloto eo amin'ny oteliko. Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona no nandotoanay anao? - Amin'ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatry ny Tompo. 8 Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin'ny governoranareo e! Hahazo sitraka aminy va hianao; hahita fitia aminy va hianao? hoy Iavehn'ny tafika. 9 Ary ankehitriny mifonà amin'Andriamanitra hamindra fo aminareo! ny tànanareo no nahatongavan'izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy Iavehn'ny tafika. 10 Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin'ny oteliko! Tsy mankasitraka anareo velively aho, hoy Iavehn'ny tafika; ary ny fanatitra avy amin'ny tànanareo tsy misy ankasitrahako.

11 Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako, any amin'ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin'ny anarako ny olona, amin'ny fitoerana rehetra, satria lehibe ny anarako, any amin'ny firenena, hoy Iavehn'ny tafika. 12 Hianareo kosa anefa mandoto azy, amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatry ny Tompo, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona. 13 Ka hoy hianareo: Inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory izy, hoy Iavehn'ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahana va izay avy amin'ny tànanareo? hoy Iaveh. 14 Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manan'ondralahy eo amin'ny andian'ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe aho, hoy Iavehn'ny tafika; ary mahatahotra ny anarako, any amin'ny firenena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475