Bokin'i Malakia

Toko faha-2

1 Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.

2 Raha tsy henoinareo sy tsy rototra hianareo ny hanome voninahitra ny anarako, hoy Iavehn'ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo aho, ary hozoniko ny tsodrano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra hianareo! - 3 Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, hafafiko amin'ny tavanareo ny tain-droroha, dia ny tain-drorohan'ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin'izany hianareo. 4 Dia ho fantatrareo amin'izay, fa nandefa ity didy ity aminareo aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levì, hoy Iavehn'ny tafika. 5 Ny fanekeko tamin'i Levì, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra ahy, sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny làlan'ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy, tsy hita teo amin'ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin'ny ratsy. 7 Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no anjelin'ny Tompon'ny tafika. 8 Fa hianareo kosa nivily làlana, nanafintohina olona maro tamin'ny làlana, ary namadika ny fanekena tamin'i Levì, hoy Iavehn'ny tafika. 9 Koa izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny làlako hianareo, sady mizaha tavan'olona amin'ny fampiharana ny lalàna. 10 Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana ary ity isika, no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy, ka mandoto ny fanekena tamin'ny razantsika?

11 Jodà mpivadika, ary Israley sy Jerosalema nahavitana fahavetavateana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an'ny Tompo, dia izay tian'ny Tompo, Jodà; nanambady ny zanakavavin'ny andriamani-kafa izy. 12 Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran'ny Tompo eo amin'ny lain'i Jakoba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin'izay manatitra fanatitra ho an'ny Tompon'ny tafika. 13 Izao koa no zavatra faharoan'izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso ny otelin'ny Tompo, tondrahanareo fitomaniana sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan'ny Tompo intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin'ny tànanareo.

14 Ary hoy hianareo: Nahoana izany? Iaveh dia efa vavolombelona manelanelana anao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa izy no namanao sy vady vita fanekena taminao. 15 Tsy mba misy nanao izany anefa na iza na iza amin'izay mba manana ny Fanahy masina? - Ary inona no nataon'ilay Iray? - Nitady taranaka araka an'Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin'ny fahatanorany. 16 Fa hàlako ny fisaoram-bady, hoy Iaveh, Andriamanitr'Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasiahana ny fitafiany, hoy Iavehn'ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka. 17 Efa nanasatra an'ny Tompo hianareo, tamin'ny teninareo. Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona, no nanasaranay azy? - Tamin'ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason'ny Tompo, ary ireo olona ireo no ankasitrahany! Na tamin'ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1706