Bokin'i Malakia

Toko faha-3

1 Indro aho, haniraka ny irako; ka izy no hanamboatra ny làlana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay anjelin'ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy Iavehn'ny tafika.

2 Iza no hahatanty ny andro hihaviany, ary zovy no hahajoro, raha miseho izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika izy sy ho sahala amin'ny potasin'ny mpanery lopòtra. 3 Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy; hanadio ny taranak'i Levì izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an'ny Tompo, hanolotra fanatitra ara-drariny aminy; 4 ary hankasitrahan'ny Tompo toy ny tamin'ny andro taloha, toy ny tamin'ny taona fahiny, ny fanatitr'i Jodà sy Jerosalema. 5 Hanatona anareo aho ho amin'ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin'olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman'ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondra-tena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra ahy, hoy Iavehn'ny tafika.

6 Noho izany Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak'i Jakoba.

7 Hatramin'ny andron'ny razanareo, no efa nihatahanareo tamin'ny fitsipiko sy efa tsy nitandremanareo azy. Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho, hoy Iavehn'ny tafika. - Fa hoy hianareo: Ny amin'inona no hiverenanay? - 8 Olombelona va no sahy hanambaka an'Andriamanitra, no hanambaka ahy hianareo? - Ary hoy hianareo: Tamin'ny inona no nanambakanay anao? - Tamin'ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana. 9 Voan'ny ozona hianareo, ary izaho ambakainareo, dia hianareo, ny firenena manontolo. 10 Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin'izay aho, hoy Iavehn'ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo. 11 Noho ny aminareo, dia horoahiko ny bibimadinika mpandany; ka tsy hanimba ny vokatry ny taninareo intsony, ary tsy hisy tsy hahavonom-boa ny voaloboka any an-tsahanareo, hoy Iavehn'ny tafika. 12 Hataon'ny firenena rehetra hoe, sambatra, hianareo; satria ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Iavehn'ny tafika. 13 Mafy loatra ny teninareo mamely ahy, hoy Iaveh. Ary hoy hianareo: Inona no resakay momba anao? - Izao no nolazainareo:

14 Zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin'ny fitandremana ny didiny sy tamin'ny fandehanana niory teo anatrehan'ny Tompon'ny tafika? 15 Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra; fa ambinina izay manao ny ratsy; maka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny. 16 Tamin'izany, izay natahotra an'Andriamanitra, dia samy niresaka tamin'ny namany avy. Ary Iaveh kosa nihaino, ka nahare izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an'ireo matahotra an'ny Tompo sy manaja ny anarany. 17 Amin'ny andro efa omaniko, hoy Iavehn'ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy aho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin'ny zanany manompo azy. 18 Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian'ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo azy. 19 Fa, indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy Iavehn'ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.

20 Fa hianareo kosa izay matahotra ny anarako, dia hiposahan'ny masoandron'ny fahamarinana, ka ho ao amin'ny tana-masoandrony ny fanasitranana; ka hivoaka hianareo, sady hifalihavanja, toy ny zanak'omby ao am-bala.

21 Hohitsahanareo ny ratsy fanahy, fa ho toy ny lavenona eo ambany faladianareo ireny amin'ny andro efa omaniko, hoy Iavehn'ny tafika. 22 Tsarovinareo ny làlan'i Moizy, mpanompoko, izay nomeko didy amam-pitsipika, ho an'Israely rehetra, tao Horeba. 23 Indro aho haniraka an'i Elia, mpaminany, ho aminareo, alohan'ny hahatongavan'ny andron'ny Tompo, sady lehibe no mahatahotra.

24 Hampody ny fon-dray ho amin'ny zanany izy, sy ny fon-janaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy aho ka hataoko anatema ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808