Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 1
Ny toritenin'i Joany - Jesoa-Kristy atao batemy sy alain'ny demony fanahy - Ny niantsoan'i Jesoa ny mpianany voalohany - Ny nampianaran'i Jesoa tao amin'ny sinagoga ary ny nandroahany demony ary nanasitranany marary.
1Fiandohan'ny Evanjelin'i Jesoa-Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2Araka izay voasoratra ao amin'Izaia mpaminany hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; 3injay misy feo miantso any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany, 4dia niseho tany an'efitra Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. 5Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin'ny onin'i Jordany ireo, rahefa niaiky ny fahotany. 6Volon-drameva no nitafian'i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: 7Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina.
9Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan'i Galilea Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany. 10Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; 11ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako. 12Dia nentin'ny Fanahy ho any an'efitra niaraka tamin'izay izy, 13ka nitoetra tany efa-polo andro dia nalain'i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin'ny bibidia, ary ny anjely nanompo azy.
14Ary rahefa natao an-tranomaizina Joany, dia nankany Galilea Jesoa nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra 15ka nanao hoe: Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely. 16Nony nandalo teny amoron'ny ranomasin'i Galilea izy, dia nahita an'i Simona sy Andre rahalahiny nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 17Ary hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 18Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy. 19Nony nandeha kelikely izy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. 20Dia niantso azy niaraka tamin'izay izy, ka nilaozan'izy mirahalahy teo an-tsambo keliny Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an'i Jesoa izy.
21Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin'ny sinagoga izy sy nampianatra ny olona. 22Dia gaga izy ireo tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23Ary tao amin'ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy 24nanao hoe: Mifampaninona izahay sy hianao ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay masin'Andriamanitra. 25Fa nandrahona azy Jesoa nanao hoe: Mangina, ary mivoaha amin'io lehilahy io. 26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin'ny feo mahery ka nivoaka taminy. 27Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky azy. 28Dia niely eran'i Galilea rehetra ny lazany.
29Raha vao nivoaka avy tao amin'ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon'i Simona sy Andre izy sy Jakoba ary Joany. 30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin'izy ireo taminy niaraka tamin'izay. 31Dia nanatona nandray ny tànany Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo azy izy. 32Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demony, 33ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. 34Dia nanasitrana olona maro nararin'ny aretina samihafa izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra azy.
35Nony ampitso nifoha maraina alina koa izy, dia nivoaka nankany amin'ny tany mangingina, ka nivavaka tany. 36Dia lasa nitady azy Simona sy ny namany, 37ka nony nahita azy dia nilaza taminy hoe: Tadiavin'ny olona rehetra hianao. 38Fa izao no navaliny: Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako. 39Dia lasa izy nitory tamin'ny sinagogan'ny olona sy eran'i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.
40Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. 41Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao. 42Vantany vao niteny izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. 43Dia nampandeha azy niaraka tamin'izay Jesoa sady namepetra azy mafy 44nanao hoe: Tandremo, aza milaza izany na amin'iza na amin'iza hianao, fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian'i Moizy, mba ho vavolombelona amin'ny vahoaka. 45Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, any ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin'ny tany mangingina izy, ary nohatonin'ny olona avy eny tontolo eny. >