Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 1, 29-39
<29Raha vao nivoaka avy tao amin'ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon'i Simona sy Andre izy sy Jakoba ary Joany. 30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin'izy ireo taminy niaraka tamin'izay. 31Dia nanatona nandray ny tànany Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo azy izy. 32Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demony, 33ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. 34Dia nanasitrana olona maro nararin'ny aretina samihafa izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra azy.
35Nony ampitso nifoha maraina alina koa izy, dia nivoaka nankany amin'ny tany mangingina, ka nivavaka tany. 36Dia lasa nitady azy Simona sy ny namany, 37ka nony nahita azy dia nilaza taminy hoe: Tadiavin'ny olona rehetra hianao. 38Fa izao no navaliny: Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako. 39Dia lasa izy nitory tamin'ny sinagogan'ny olona sy eran'i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony. >