Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 1, 6-11
<6Volon-drameva no nitafian'i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: 7Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina.
       9Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanĂ nan'i Galilea Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany. 10Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; 11ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako. >