Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 11
Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema - Ny aviavy voaozona - Ireo mpivarotra tao an-tempoly voaroaka.

       1Nony mby akaiky an'i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan'ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roalahy tamin'ny mpianany, 2ary nilaza taminy hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any hianareo, dia hahita zanak'ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. 3Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy; dia halefany hoentina atý miaraka amin'izay izy. 4Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak'ampondra mifatotra teo alatrano anilan'ny varavarana, teo an-tsampanan-dàlana, dia novahany. 5Ary ny sasany tamin'ny olona teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo io zanak'ampondra io? 6Fa novaliany araka ny nandidian'ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. 7Dia nentiny tany amin'i Jesoa ny zanak'ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo izy. 8Maro no namelatra ny fitafiany teny amin'ny làlan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin'ny làlana koa. 9Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! 10Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan'i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin'ny avo indrindra. 11Dia niditra tao Jerosalema izy namantana tao amin'ny tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban'ny roa ambin'ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro.
       12Nony ampitso, raha niala tany Betania izy, dia noana, 13ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. 14Dia hoy izy tamin'ny aviavy: Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay; ary ren'ny mpianany izany.
       15Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin'ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala, 16ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny tempoly, 17sady nampianatra izy, nanao hoe: Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy. 18Nony nahare izany ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty azy; saingy natahotra azy izy ireo satria nigagan'ny vahoaka rehetra ny fampianarany. 19Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna izy.
       20Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan'ny mpianany fa maina hatramin'ny fakany ilay aviavy. 21Dia nahatsiahy Piera ka nanao taminy hoe: Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao. 22Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Manàna finoana an'Andriamanitra. 23Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mialà hianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina, raha mino tsy amim-pisalasalana ao an-pony izy, fa ho tanteraka izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan'izany. 24Koa amin'izany lazaiko marina aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. 25Ary raha mitsangana hivavaka hianareo ka sendra manana alahelo amin'olona, dia mamelà azy, mba hamelan'ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. 26Fa raha tsy mamela hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.
       27Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia teo anatin'ny tempoly Jesoa, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona, 28ka nilaza taminy hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana anao hanao izany? 29Dia hoy Jesoa taminy: Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry hianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 30Avy aiza ny batemin'i Joany, avy any an-danitra sa avy amin'ny olona? Valio aho. 31Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? 32Ary raha ataontsika hoe avy amin'ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany marina tokoa Joany. 33Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. Ary izaho kosa, hoy Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. >