Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 12
Ny fanoharana amin'ny mpiasa tanim-boaloboka ratsy fanahy - Ny fandoavan-ketra ho an'i Sezara - Ny hitsanganan'ny maty - Izay didy ambony indrindra - Ny faharatsian'ny mpanora-dalàna - Ny rakitr'ilay vehivavy mpitondratena.
1Ary niteny tamin'izy ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin'ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa. 2Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin'ny mpamboly izy mba handray vokatry ny tanim-boaloboka: 3fa nosamborin'izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodiny maina. 4Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka. 5Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny. 6Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin'ny farany, fa hoy izy: Hanaja ny zanako izy. 7Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova. 8Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan'ny tanim-boaloboka. 9Inona àry no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin'ny hafa. 10Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro; 11avy tamin'Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika? 12Ary nitady hisambotra azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin'izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao azy, dia lasa.
13Tamin'izay dia naniraka ny sasany tamin'ny Farisiana sy Herodiana izy ireo mba hamandrika azy amin'ny teniny, 14ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao ka tsy mampaninona anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona hianao, fa mampianatra ny làlan'Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an'i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa? 15Fa fantatr'i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no maka fanahy ahy? Itondray denie iray aho hozahako. 16Dia nitondrany iray izy ka hoy izy taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza io? An'i Sezara, hoy iretsy. 17Dia hoy Jesoa taminy: Aloavy ho an'i Sezara àry izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia nigagan'izy ireo izy.
18Dia ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany azy hoe: 19Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Moizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. 20Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. 21Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. 22Ary samy nanam-bady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Moa tsy diso hevitra va hianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? 25Fa rehefa tafantsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin'ny bokin'i Moizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? 27Tsy Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra hianareo.
28Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian'i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona azy koa sy nanontany azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra? 29Ary Jesoa namaly azy hoe: Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hàny Tompo tokana; 30koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra, ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. 31Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo. 32Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy izy, 33ka ny tia azy amin'ny fo rehetra, sy amin'ny fanahy rehetra, ary amin'ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra. 34Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary hatramin'izay dia tsy nisy olona sahy nanontany azy intsony.
35Ary mbola nampianatra tao anatin'ny tempoly Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa ny Kristy dia zanak'i Davida? 36Nefa Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 37Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? Ary nihaino azy an-kafaliana ny vahoaka be.
38Dia izao koa no nolazainy tamin'ny fampianarany: Mahìna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, 39ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny fanasana. 40Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.
41Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. 42Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany. >