Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 13
Ny handravana an'i Jerosalema sy ny hanenjehana ny Apostoly - Ny fametavetana lozan-tany - Ny nihavian'ny Tompo.
1Nony nivoaka avy ao amin'ny tempoly izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra! 2Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. 3Ary nony nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly izy, dia nanontany azy manokana Piera, sy Jakoba, sy Joany, ary Andre nanao hoe: 4Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany? 5Ary izao no navalin'i Jesoa azy: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo; 6fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no izy; ary maro no ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, hianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin'ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan'ny fahoriana. 9Tandremo koa ny amin'ny tenanareo, fa hotorina amin'ny mpitsara hianareo, sy hokapohina ao amin'ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy. 10Kanefa tsy maintsy hotorìna amin'ny firenena rehetra aloha ny Evanjely. 11Ary rahefa entina hanatrika ny mpitsara hianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12Amin'izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy; 13ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.
14Ary raha hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra; 15aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao, 16ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany. 17Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina izany, 19fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony. 20Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny. 21Amin'izany, raha misy milaza aminareo hoe: Indry ato ny Kristy, na indro ary izy, aza mino hianareo; 22fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany. 23Koa mintandrema hianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra.
24Fa amin'izany andro izany, rahefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, 25ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hihozongozona. 26Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy eo ambonin'ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. 27Amin'izay izy dia haniraka ny anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra. 28Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. 29Toy izany koa, rahefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana izy. 30Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 31Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana: 34tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. 35Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak'alina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory hianareo. 37Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena. >