Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 15
Jesoa teo anatrehan'i Pilaty - Ny nanamelohana azy - Jesoa voalatsa sy voahombo tamin'ny hazo fijaliana - Ny nahafatesany - Jesoa nalevina.
1Raha vao maraina koa ny andro, ny lohandohan'ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin'ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an'i Jesoa, dia nitondra azy sy nanolotra azy tamin'i Pilaty. 2Ary Pilaty nanontany azy hoe: Hianao va no mpanjakan'ny Jody? Dia namaly izy ka nanao taminy hoe: Voalazanao. 3Ary maro ny zavatra niampangan'ny lohandohan'ny mpisorona azy, 4ka nanontany azy indray Pilaty nanao hoe: Tsy mamaly akory va hianao? He izato hamaroan'ny zavatra iampangany anao! 5Fa tsy namaly intsony Jesoa na dia kely aza, ka gaga Pilaty.
6Ary isaky ny fetin'ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin'ny vahoaka ; 7ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin'ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin'ny fikomiana. 8Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; 9fa namaly Pilaty nanao hoe: Tianareo va raha ny mpanjakan'ny Jody no alefako ho anareo? 10satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohandohan'ny mpisorona azy taminy. 11Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo Barabasy no halefany ho azy. 12Ka hoy indray Pilaty taminy: Inona àry no tianareo hataoko amin'ilay antsoinareo hoe mpanjakan'ny Jody? 13Dia niantso indray izy ireo nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. 14Fa inona àry no ratsy nataony? hoy Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. 15Ary noho Pilaty te-hahazo sitraka amin'ny vahoaka, dia nandefa an'i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an'i Jesoa sy nanolotra azy hofantsihana tamin'ny hazo fijaliana.
16Dia nentin'ny miaramila Jesoa ho ao amin'ny tokotany, izany hoe ao amin'ny fitsarana, sady novoriny ny miaramila namany. 17Nony efa nampitafiny kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo izay norandraniny ny lohany. 18Ary dia niarahaba azy izy nanao hoe: Arahaba, ry mpanjakan'ny Jody. 19Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora azy, ary nandohalika nitsaoka azy. 20Nony efa nolalaoviny toy izany izy, dia nesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy. 21Ary nisy lehilahy Sireneana atao hoe Simona, rain'i Aleksandra sy Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren'izy ireo hilanja ny hazo fijaliany, 22ary izy dia nentiny tao amin'ny tany atao hoe Golgota izay adika hoe tanin'ny karan-doha.
23Dia nomeny divay miharo mira izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. 24Nony voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. 25Ary tamin'ny ora fahatelo no namantsihana azy tamin'ny haso fijaliana. 26Ny filazana ny anton'ny namonoana azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN'NY JODY. 27Ary nisy mpangalatra roalahy niara-nofantsihany taminy tamin'ny hazo fijaliana: ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany; 28ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Natao isan'ny ratsy fanahy izy. 29Ary izay nandalo dia sady nanevateva azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: Hia! ry ilay mandrava ny tempolin'Andriamanitra, sy manangana azy indray amin'ny hateloana ity! 30Vonjeo ilay ity ny tenan'ialahy, ka mialà amin'ny hazo fijaliana! 31Ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia naneso azy toy izany koa, fa izao no resany eo: Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena. 32Aoka ny Kristy mpanjakan'Israely hidina hiala amin'ny hazo fijaliana amin'izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika. Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso azy.
33Nony tamin'ny enina, dia rakotra aizina ny tany rehetra hatramin'ny sivy; 34ary tamin'ny sivy, dia niantso mafy Jesoa nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany? izany hoe: Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao aho? 35Nony nandre izany ny sasany tamin'izay teo, dia nanao hoe: Indro miantso an'i Elia izy. 36Dia nihazakazaka ny anankiray tamin'izy ireo, novontosany vinaingitra ny sponjy sy notohiziny volotara, dia natohony azy hotsentsefiny, ka hoy izy: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia! 37Fa niantso mafy Jesoa, dia niala aina. 38Ary triatra nisasaka roa hatrany ambony ka hatraty ambany ny efitra lamba tao amin'ny tempoly. 39Ilay kapiteny nitsangana teo an-tandrifin'i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa io lehilahy io. 40Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa; anisan'ireny Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba zandriny sy Josefa, ary koa Salome, 41izay nanaraka azy sy nanompo azy fony izy tany Galilea. Fanampin'ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
42Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata, 43dia tonga Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan'Andriamanitra koa. Sahy nanatona an'i Pilaty izy, nangataka ny vatan'i Jesoa. 44Gaga Pilaty noho izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela izy na tsia. 45Nony reny ny filazan'ilay kapiteny, dia nomeny an'i Josefa ny faty. 46Dia nividy lamba Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba azy, sy nandevina azy tamin'ny fasana nolavahana tamin'ny vato, ary nanakodia ny vato tamin'ny varavaram-pasana. 47Nojeren'i Maria Madelena sy Maria renin'i Josefa tsara izay nametrahany azy. >