Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 16
Ireo vehivavy tao amin'ny fasana - Ny nisehoan'i Jesoa tamin'i Madelena - Ny nisehoan'i Jesoa tamin'ny Apostoly - Ny niakarany tany an-danitra.
1Ary rahefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome, mba handeha hanosotra ny vatan'i Jesoa. 2Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin'ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. 3Ary izy nifampilaza hoe: Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin'ny varavaram-pasana e? 4Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. 5Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra. 6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra hianareo; mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka tsy eto; teo no nametrahany azy. 7Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Piera fa hialoha anareo any Galilea izy, ka any no hahitanareo azy araka ny efa voalazany taminareo. 8Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady tora-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy noho ny tahony.
9Rahefa nitsangana tamin'ny maty Jesoa, ny marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia Maria Madelena, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany. 10Ka lasa io nilaza izany tamin'ireo mpanaraka azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. 11Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy.
12Manaraka izany, Jesoa dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roalahy amin'izy ireo, izay nankany an-tsaha. 13Dia lasa ireo nilaza tamin'ny namany; fa tsy ninoany koa. 14Tamin'ny farany dia ny tenan'izy iraika ambin'ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy nino izay nahita azy tafantsangana tamin'ny maty izy ireo. 15Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra. 16Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. 17Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy izy, 18handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tà nana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
19Ary rahefa niteny tamin'izy ireo Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra. 20Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin'ny fahagagana nomba azy. >