Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 1, 40-45,

       <40Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. 41Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao. 42Vantany vao niteny izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. 43Dia nampandeha azy niaraka tamin'izay Jesoa sady namepetra azy mafy 44nanao hoe: Tandremo, aza milaza izany na amin'iza na amin'iza hianao, fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian'i Moizy, mba ho vavolombelona amin'ny vahoaka. 45Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, any ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin'ny tany mangingina izy, ary nohatonin'ny olona avy eny tontolo eny. >